TSAROAN'NY SAINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSAROAN'NY SAINA




Tsaroan'ny saina
ny zava-nandreraka
tsy mora nolanjaina
sy nahory tanteraka.



Tsaroan'ny saina
ny ady nampalahelo
mbola nampangaina
tamin'izay fa dia helo.



Tsaroan'ny saina
ny korontana marina
tsy nahay nampiaina
ny rindra vao niarina.




Tsaroan'ny saina
ny fandravana maro
nisy ka nahamaina
ny diako ka takaro !




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
289 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 11/07/2025 17:16
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116