TSAROVY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSAROVY





Tsy ao an-tsaiko akory ny hamaly ratsy anao,
Na nahaketraka ahy hatrany ny vava mankalao,
Na tsy tanty mora etoana ny latsalatsa sy ny fosa,
Mba nataoko ho rediredy ka hay tsy izany kosa.


Tsy ao am-poko akory ny hanala ilay fitiavana
natokako ho anao zary hitombo tomandavana,
zary kalo tena hohiraina sy hipetraka ho doria
ho porofo manambara fa tsy niova ange ny aty.


Tsy ao am-bava akory raha ny hanompa sesehena,
Na tsy levoko avokoa ireo nolazaina sy nomena ;
Fa ny Avo irery ihany no mba mahita sy mandre
Ka mbola hamaly mafy anao n’aiza n’aiza aleha.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Alahelo
1242 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 06/05/2008 10:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144