TSIMBOTRY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIMBOTRY






Tsimbotry niaraka ihany
ka adrisa vao nifanary
raha nandatsa-tomany
izy iny fa very voasary.



Tsimbotry niray hafaliana
ka adrisa mila ho fahavalo
raha ory sy be hakiviana
‘ty fony fa tsy afa-mikalo.



Tsimbotry malalany ianao
ka adrisa naleony nandeha
no vitan' izy iny tao ho ao
raha lavo sy trotraka ange !



Tsimbotry tsy foiny tokoa
ka adrisa niova ho vahiny
no toetra mahamenatra koa
narangan'iny olona iny !





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Fitiavana
1301 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113