TSY AFA-MIAINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
.



TSY AFA-MIAINA




Ny trondro tsy afa-miaina
raha tsy misy rano :
itony andro tsy antenaina
ka manganohano.



Ny hazo dia tsy afa-miaina
raha tsy misy tany ;
ny alahelo tsy hay zaraina
ka misento ihany



Ny biby dia tsy afa-miaina
raha tsy misy ala ;
ny anio mahalasa saina
ka mampisalasala.



Ny tena dia tsy afa-miaina
raha tsy misy anao,
tsarovy foana isa-maraina,
n'inona n'inona atao.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
302 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 20/02/2025 19:35
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118