TSY AMPY NY VOLA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY AMPY NY VOLA




Tsy ampy ny vola
hanasoavam-bahoaka
kanefa dia mbola
milaza ho misy apoaka.



Tsy ampy ny vola
handehanan-draharaha
kanefa dia midola
manao fiainam-bazaha.



Tsy anpy ny vola
hanamaivanana trosa
kanefa dia angola
isan'andro no tontosa.



Tsy ampy ny vola
handoavana karama
kanefa re tsy tola
mbola hita ho salama.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
416 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0152