TSY ANIO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY ANIO




Tsy anio akory vao
hiezaka ny hanitsy
raha natoro ianao
efa ela be mihitsy.



Tsy anio akory vao
hisaina hanova dia
rehefa kenda izao,
miantso ahy avia.



Tsy anio akory vao
hifona ahy fatratra
rehefa tany nilalao,
nahazo ny lafatra.



Tsy anio akory vao
hanarina izay rava
ka tatazo ny natao
fa tsy afaka hisava.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
426 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0227