TSY AZONAO SAKANANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY AZONAO SAKANANA





Tsy azonao sakanana
ny foko mbola hitia
rehefa mba nanana
ny tanjona ho doria.




Tsy azonao sakanana
ny saiko hieritreritra
rehefa mba notanana
izay ho tena hevitra.




Tsy azonao sakanana
ny soratra mba hiato
rehefa nananganana
ny efa tsangambato.




Tsy azonao sakanana
ny ainga hisy foana
rehefa 'ty niadanana
sy indro nahamoana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
862 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0147