You are here: home > Vetso

TSY FANTATRO AVY AKORY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


TSY FANTATRO AVY AKORY…





Tsy fantatro avy akory,
na izay anaranao,
fa nanaitra ahy natory
ny hira izay natao.



Tsy fantatro avy akory,
na izay adiresinao,
fa nisy onja toa tsy ory
no tsapa tsotr’izao.



Tsy fantatro avy akory,
na izay sitrakao,
fa nanjary nampamory
ny nofy sy lalao.



Tsy fantatro avy akory,
na izay hoe ianao
fa hafaliana no mitory
ary iny re nandao.




Fredy JAOFERA