TSY FIDIKO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY FIDIKO





Vao manorana ny tany
dia manorana ny foko ;
tonga eto 'reo tomany
fa alahelo no miloko.



 
Vao mikotroka ny reko
dia mikotroka ny kalo ;
izany akory tsy tereko
fa ny ora mampimalo !




Vao mitselatra ny vazo
dia mitselatra ao anaty ;
hafahafa izay mahazo
sy manadala ka soraty !




Vao manidina ny fody
dia manidina ny saiko ;
ka hatraty no te hody,
te hamonjy ity lalaiko.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
924 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0147