TSY FITIA SADASADA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY FITIA SADASADA





Tsy fitia sadasada
no aty re, ry Dada,
fa 'lay tokan-doko
efa hirain'ny foko.




Tsy fitia sadasada
na lazaina mirada
fa mbola sarobidy
matoa izao tadidy.




Tsy fitia sadasada,
hoy aho tsy lada,
fa toky lalandava
nahamiran-tava.




Tsy fitia sadasada,
na dia toa mibada,
fa andry nitokiana
sy ray tsy zoviana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
815 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4625