TSY FOIKO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY FOIKOTsy foiko ny hamela
izay tantara sisa anio
no saina hatry ny ela
nampitsiky, tadidio !
Tsy foiko ny handrava
izay vita tsangambato
fa porofo be mazava
tsaroana tato ho ato.
Tsy foiko ny handoro
ny soratra mipetraka
fa harena mampijoro
tomefy hetraketraka.
Tsy foiko ny hamono
ilay fitia efa nahitana
hafaliana fa tsy hono
no hafatrafatra ialana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Aingam-panahy - Fitiavana