You are here: home > Vetso

TSY HAIKO NY HANDEHA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




TSY HAIKO NY HANDEHA





Tsy haiko ny handeha
raha tsy voambara
ny tsapako aminao
fa mampirehareha
ka mety ho tantara
halaza ao ho ao.




Tsy haiko ny handeha
raha tsy voasoratra
'zay momba antsika,
hoy aho ka maneke
fa tiana hamokatra
ny ainga tsara dika.




Tsy haiko ny handeha
raha tsy ho voatonona
ireo mbola teny roa
mamy hatrany ange
afaka hampionona
ny tena rehefa voa.




Fredy JAOFERA


Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 22/02/2021
Mpamangy : 179
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

HOY
TSY ATAOKO SAKANA
INDRAY ANDRO IZAY
REHEFA MATIN-KAMBO
NY HAZOKO
HALAVIRANA
VERY LANJA
TADIAVINA
REVO
TSY NAHASEHAKA