TSY HAMORAIKO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HAMORAIKOTsy hamoraiko
ny hafaliana
vao ho hitanao
rehefa nolanjaiko
ny fahoriana
izay nankalao.
Tsy hamoraiko
ny fiarahana
ho tonga indray
rehefa ny aiko
nisintahana
ka mampalailay.
Tsy hamoraiko
ny fitiavana
ho toy ny taloha
rehefa ny saiko
nandavana
ny mety tokoa.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
