You are here: home > Vetso

TSY HAY SORATANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



TSY HAY SORATANA





Tsy hay soratana
ny ratran'ny lasa
namely ny vatana
sy mbola nikasa.




Tsy hay soratana
ny sedra nahazo
zava-namantana,
nitondra ny tazo.




Tsy hay soratana
ny rava tsy fidiny
natao hamiratana
fa tojo ny ngidiny.




Tsy hay soratana
ny ady natrehina
tsy nisandratana
fa zary nopehina.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha