TSY HIANDRY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HIANDRY





Tsy hiandry ny volana
aho hanilo ’zato lalako
raha tsy izay ny sitrapony,
fa hikiry tsy hisy olana
hahazo izay fiadanako
sy ’zay ilaina hitony !…



Tsy hiandry ny kintana
aho hitarika ny tongotro
raha tsy izay no faniriany,
fa hisy foana ny vintana,
hoy ihany ireto molotro,
hampiravo, na tsy tiany !



Tsy hiandry ny vorona
aho hikalo ny tontolo
raha tsy izay no tigetra,
fa hiezaka ny hangorona
‘zay soa hamelom-bolo
angamba tsy hisy fetra !



Tsy hiandry anao
aho hahasambatra ahy
raha tsy izay no misy,
fa mainka aza handao
sy toa indro sahisahy
hitady indray ny lisy !




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Alahelo
731 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 18/03/2009 01:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141