TSY HISY INTSONY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HISY INTSONYTsy hisy intsony
ny raozy toa anap
ho hita hamony,
hitory fiainam-bao.
Tsy hisy intsony
ny voady sarobidy
nantenaina fony
izay no mba safidy.
Tsy hisy intsony
ny toky nirosoana
tiana hampitony
ny ora am-pinoana.
Tsy hisy intsony
ny fitia nijoalajoala
tsy nisy lonilony
sy mbola nanadala.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
