TSY HITAKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HITAKO





Tsy hitako izy ho reny
tamin'ny zavatra rehetra
dia indro ve izy hiteny
fa nitia tsy misy fetra ?




Tsy hitako izy ho reny
tamin'ny sedra niainana
dia dedaka ombieny
fa ilay azo nitarainana.




Tsy hitako izy ho reny
tamin'ny jaly nanahirana
dia nihambo lavareny
fa ilay azo namikirana.




Tsy hitako izy ho reny
tamin'ny ora be tomany
dia niebo teny ho eny
fa ilay tokana aok'izany.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1156 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113