TSY HITAKO LOATRA (Fredy Jaofera)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HITAKO LOATRA




Tsy hitako loatra
ny tsiron'ny tany
rehefa tsy eo ianao ;
tsy afa-mivoatra
ny mamiko izany
ka avia re, anjakao !



Tsy hitako loatra
ny lanitra manga
rehefa tsy mihaona ;
tsy manamboatra
ireo andro banga
fa sento no mitaona.



Tsy hitako loatra
ny fitia nolazaina
rehefa tsy mandalo ;
manjary mihoatra
ny mahasavolaina
ka tsy mahay mikalo.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
450 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 04/05/2025 18:47
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0112