TSY HIVERENAKO INTSONY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HIVERENAKO INTSONYTsy hiverenako intsony
ny handeha hankany
rehefa tsapa ny fony
fa ratsy eny hatrany.
Tsy hiverenako intsony,
na nisy fiangaviana
fa narary ny vavony
ka nitera-panaviana.
Tsy hiverenako intsony
fa namoha ny ratra
nahabe ny lonilony
tsy mba nahazatra.
Tsy hiverenana intsony
fa nandrava ahy soa
sy irony lalako irony
nahafinaritra tokoa.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
