TSY HO RESY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HO RESY




Tsy ho resin'ny fotoana
'lay fitia hatramin'izay
fa mainka hampihaona
antsika aza hifandray.




Tsy ho resin'ny elanelana,
na mila ho singan-drery
fa hamelatra ny felana
hanamaina itony fery.



.
Tsy ho resin'ny ahiahy
mpandrebireby fatratra
fa hampitony ny fanahy
raha izao no tena lahatra.




Tsy ho resin'irony akanga
toa tsara loko sy manaitra
fa vao mainka hampiranga
'rony anjara tsy hita faitra.




Fredy JAOFERA

T
--------
Rohy:
855 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 20/06/2016 11:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0175