TSY HONOHONO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HONOHONO




Tsy honohono
ny rano tapaka
izay toa mifono
sedra tsy afaka.



Tsy honohono
ireo jiro tapaka
tonga namono
ny tsiky ravaka.



Tsy honohono
ny vola tapaka,
dite na ronono,
lasa nihataka.



Tsy honohono
ny laoka tapaka,
tsy afa-manjono
ka dia mivavaka.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
477 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 07/07/2024 20:19
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118