TSY IANAO IHANY (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY IANAO IHANYTsy ianao ihany
no olona akory
lazaina hatrany
fa hitondra tory.
Tsy ianao ihany
no azo ambara
hanala tomany
fa efa voarara.
Tsy ianao ihany
no manana soa
hisy eto an-tany
fa be hafa koa.
Tsy ianao ihany
no azo atonina,
na mijaly izany
fa tsy foronina.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
