You are here: home > Vetso

TSY IRARIAKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


TSY IRARIAKO




Tsy irariako
ho tonga aminao
ireo fijaliako
namely tao ho ao.


Tsy irariako
hitranga aminao
ireo fihafiako
toa mila hankalao.


Tsy irariako
hipoitra aminao
ireo hakiviako
tsy nety nandao.


Tsy irariako
ho indro aminao
ireny fahoriako
nampirehitra vao...


Tsy ho zaka mihitsy,
na ahoana na ahoana,
matoa aho mahitsy
sy mandefitra foana.


Tsy ho tanty sahady
raha hafatrafarako
fa tsy zava-pitady,
hoy itony tantarako !




Fredy JAOFERA

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 19/10/2008
Mpamangy : 785
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NAHOANA NY VARY ?
MAHAVERY
ELA NOTORATORAHANA
MISY
MAHATSARA
HAHITA ANAO
IZY DIA NIHEVITRA
NOELY MATSIRO
ASIO KELY
TAPAKA