TSY IRIKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY IRIKO




Tsy iriko ho anao
ny nahazo ahy
fa dia tsikerao
rehefa sahy.



Tsy iriko ho anao
ny sedra mafy
fa dia anjakao
ny soa mifafy.



Tsy iriko ho anao
ny ratra maro
fa tsy vaovao
ny mahatsiaro.



Tsy iriko ho anao
ireny jjaly ireny
tsy mba tsaho
fa entiko eny.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
475 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117