TSY IZAHO INTSONY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY IZAHO INTSONY






Tsy izaho intsony raha ny tena izy
no hanatontosa izay mbola sitrakao ;
tsy izaho intsony f’efa sain’ankizy
raha nialana no ilaina tahaka izao.






Tsy izaho intsony raha ny tena marina
no hanampy raha tojo izay tadiavina ;
tsy izaho intsony fa efa nampifarina
sy olon-kafa indray no efa notiavina.






Tsy izaho intsony, tsarovy lalandava
no hanao ihany ny maminao rehetra ;
tsy izaho intsony f’efa potika sy rava
‘zay tantarantsika ka any manjoretra !







Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1151 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115