You are here: home > Vetso

TSY IZAHO NO IZY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

TSY IZAHO NO IZY





Tsy izaho no izy
ka aleoko miala,
tsy ny ambozizy
no ilain'ito vala.




Tsy izaho no izy
ka aleoko miova
fa mafy izaitsizy
ny tsy fandova.




Tsy izaho no izy
ka aleoko mioty
nofinofin'ankzy
fa dia kamboty.




Tsy izaho no izy
ka aleoko mody ;
mahery ny krizy
ka aza manody.




Fredy JAOFERA




Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 02/09/2019
Mpamangy : 114
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

REHEFA ISIKA ROA
FIENTANAM-PO
AO AM-PO
NY ANY AMINAY
NY ANKEHITRINY
MORA MARATRA
KIBO MANINA
KIRY
SAIKA
HATSARAN-TAREHY