You are here: home > Vetso

TSY KABARIN-TSAKA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




TSY KABARIN-TSAKA





Tsy kabarin-tsaka
no fahaiza-miaina
tsara hiorim-paka
raha te hohajaina.




Tsy kabarin-tsaka
no fampiasa lava
vao hahazo laka
ny tiana hazava.




Tsy kabarin-tsaka
no zava-mahasoa
vao indro hanjaka
ny « mandrosoa ».




Tsy kabarin-tsaka
no voizina etoana
vao tsy mba daka
sy fanesoesoana.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha