TSY KAMBOTY TSINONA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY KAMBOTY TSINONA


Tsy ho fantatrao akory, na rahoviana na rahoviana
raha mbola tsy kamboty, ny tena fijaliana
tsy manan-dray sy reny
rehefa manina azy ireny,
fa lazaina ho rediredy
nahatonga anao hibedy.



Tsy ho fantatrao akory, na ambarako tsy hita lany
raha mbola tsy kamboty, ny sento sy tomany
mety afaka hampitraotra
sy hikiky mafy loatra
ny alahelo nokobonina,
saika tsy hotononina.



Tsy ho fantatrao akory, na teneniko tsisy farany
raha mbola tsy kamboty, ny tsisy izay anjarany
fa toy ny singan-drery
lazaina ho olom-bery
toa lasa ambiroa
sy ory be tokoa.



Tsy ho fantatrao akory, na asesiko eto foana
raha mbola tsy kamboty, ny ora mampisaona
mahay mitondra anao
hihira tahaka izao,
ka hamboraka hatrany
ny hafaliana sesilany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
1629 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117