TSY MAHANTRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MAHANTRA





Tsy mahantra fa sahirana
ny vahoaka malagasy
tsy mahita mangirana
ka injao mangasihasy.




Tsy mahantra fa sahirana
'ty tanindrazantsika
matoa mba ifikirana
fa tany mahasariaka.




Tsy mahantra fa sahirana
ny toekarena etoana
ka tsara handosirana
ny ratsy nitompoana.




Tsy mahantra fa sahirana
ny politika mihatra
ka tsy mahamirana
izao ny toe-javatra.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
413 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0182