TSY MAHAY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MAHAYTsy mahay manome
fa tia mangataka
no toetra mandeha
ka mampihataka.
Tsy mahay manoro
fa tia mandratra
no mampihorohoro
azy eny fatratra.
Tsy mahay manilo
fa tia mandrava
no mandraraka ilo
azy lalandava.
Tsy mahay mirary
fa tia mamely
no tsy mampanjary
azy velively !
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahy - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
