TSY MANAM-PAHATAPERANA (2) (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MANAM-PAHATAPERANATsy manam-pahataperana
ny fitiavako anao
fa mainka maka toerana
ao anatiko ao.
Tsy manam-pahataperana
ny tsiaro mandeha
fa mipoitra tsy miserana
vao malahelo re.
Tsy manam-pahataperana
ny toky nozaraina
raha asiana fiheverana
fa zavatra ilaina.
Tsy manam-pahataperana
ny tantarantsika,
na ankehitriny, noferana
tsy hanjopiaka.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
