You are here: home > Vetso

TSY MANDRY NY ERITRERITRA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




TSY MANDRY NY ERITRERITRA





Tsy mandry ny eritreritra
ka avoaka ny hevitra
feno fandotoana,
feno fanesoana
fa tsy namampo
'zay zava-nanjo
nidona tampoka
ka dia niantoka :
nigoka ngidy
fa safidy !




Tsy mandry ny eritreritra
ka manjary mora tezitra
fa injao manenina,
na mody afenina
'reo ratsy vita,
tsy nahatafita,
tsy nampatory
fa dia nahory
efa hatry ny ela
ka tsy afa-bela.




Fredy JAOFERA





Hametraka hevitra

Midira aloha