You are here: home > Vetso

TSY MBA VATRANY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





TSY MBA VATRANY





Tsy mba vatrany
namafa ny lasa
ka tsy tratrany
ireo nokinasa.




Tsy mba vatrany
nanova ny taona
ka izay ratrany,
mbola nisaona.




Tsy mba vatrany
nivoy fitiavana
ka izay fatrany,
zara, rahavana.




Tsy mba vatrany
ka ny maso lena
fa 'zay katrany :
vola sy harena !




Fredy JAOFERA




Hametraka hevitra

Midira aloha