You are here: home > Vetso

TSY MIALA SASATRA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




TSY MIALA SASATRA





Tsy miala sasatra
ny aingampanahy,
na rahoviana,
fa manafatrafatra,
mampahatsiahy
'reo fifaliana.




Tsy miala sasatra
'reo soratsoratra,
na ahoana,
fa dia mandahatra
sy mamokatra
eto foana.




Tsy miala sasatra
ny vetsom-pitia,
na dia kely,
f'efa mamahatra
sy mba mangia,
ry anjely !




Fredy JAOFERA






Hametraka hevitra

Midira aloha