TSY MISY FIVERENANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MISY FIVERENANA




Tsy misy fiverenana
ireny hevitra tapaka
fa zary nanorenana
asa ilaina hiavaka.



Tsy misy fiverenana
ny fitia efa mba rava
fa tao ny fifantenana
vao nisosa mazava.



Tsy misy fiverenana
ny toky izay nesoina
fa be ny fanenenana
izay sarotra vonoina.



Tsy misy fiverenana
ny zavatra niarahana
fa dia fanampenana
ny jaly no mibahana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
335 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0121