TSY MISY INTSONY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MISY INTSONY





Tsy misy intsony
ny tsiaron'ny lasa
fa maty ery nony
tsy tia ny kinasa.




Tsy misy intsony
ny tantarantsika
rehefa ilay vony
tsy hita ho pika.




Tsy misy intsony
iny fanantenana
rehefa nisy gony
natao tsy ialana.




Tsy misy intsony
iny toky mafonja
rehefa tsy nitony
ny sento nanonja.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
4 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 24/07/2026 00:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1111