TSY MORA TONGA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MORA TONGA





Tsy mora tonga ny teny
rehefa alahelo no tsapa
mameno ny fo ombieny
sy efa tsaroana mikapa.




Tsy mora tonga ny tory
rehefa tadiavina foana
ho lavitra ireo sorisory
ka mbola mahamoana.




Tsy mora tonga ny toky
rehefa tratran'ny fitaka,
hoy indrindra ny boloky
nitsoaka fa tsy nibitaka.




Tsy mora tonga ny tena
rehefa tsy mba namoha
ka tsarovy, nampihena
fitia tao anaty longoa.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
547 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115