You are here: home > Vetso

TSY NAHITAKO FIADANANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

TSY NAHITAKO FIADANANA





Tsy nahitako fiadanana
ny soany mamirapiratra
ka nanimba fihavanana
sy maso 'zay nihiratra.




Tsy nahitako fiadanana
ny trano be mangatsiaka
matoa tsy nanompanana
ny haravoana tsara bika.




Tsy nahitako fiadanana
ny harena izay naderany
ka mainka nanafoanana
'zay tena anjara toerany.




Tsy nahitako fiadanana
ny toepanahy narosony
ka niteraka havizanana
sy voa tsy misy sosony.




Fredy JAOFERA