TSY NAMPOIZIKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NAMPOIZIKO





Tsy nampoiziko ho isika
no hiombina eto an-tany
ka mbola nampandriaka
ny ranomaso maro ihany.




Tsy nampoiziko ho ianao
no hamafa ahy izay ratra
ka ireo alahelo tao ho ao
mbola nisy kely nihatra.




Tsy nampoiziko ho ny tory
no hivatsy ahy ny nofinofy
fa nataoko lava ho sorisory
ho an'izany foko ka rakofy.




Tsy nampoiziko ho ny vita
no hihazo ny hasambarako
fa nataoko foana tsy ho hita,
na itony feon'ilay fararako !




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
765 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0217