You are here: home > Vetso

TSY MANANA AMBY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

TSY MANANA AMBY





Tsy manana amby
ny fitiavanao ahy
ka ny tambitamby,
injao mampanahy.




Tsy nanana amby
ny toky tadiavina
ka somambisamby
ny lalana diavina.




Tsy manana amby
ny angoty nilaina,
na ho rambiramby
ny handrandraina.




Tsy manana amby
ny andrin'ny foko
f'angamba damby
ka inty mitoloko.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha