TSY NISY FAHOMBIAZANA... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NISY FAHOMBIAZANA...




Tsy nisy fahombiazana
raha tsy nisy fanesoana
teny ho eny notatazana
ka nahabe fisentoana.



Tsy nisy fahombiazana
raha tsy nisy fandatsana
teny re tsy nahamazana
tsy mba nety norarana.



Tsy nisy fahombiazana
raha tsy nisy faharesena
nahitana fahavoazana
mbola sarotra nekena.



Tsy nisy fahombiazana
raha tsy nisy fihemorana
nodidina hahangazana
ny tany kely nifotorana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
194 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 11/09/2023 12:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149