TSY NISY FIADANANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NISY FIADANANA




Tsy nisy fiadanana
ny nanantena tany
fa nanompanana
ny jaly sy tomany.



Tsy nisy fiadanana
ny nitoetra marina
fa dia nofahanana
fosa izay nitarina.



Tsy nisy fiadanana
ny fitia nanavatsava
fa dia nosakanana
niamey irony vava.



Tsy nisy fiadanana
ilay toky nozaraina
ka tsy nananganana
ny tena lamin-tsaina.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
226 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116