TSY NOFY INTSONY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NOFY INTSONY





Tsy nofy intsony
'zay notadiaviko
raha amin'itony
no tena tiaviko.




Tsy nofy intsony
'zay nanahirana
rehefa mamony
raozy hifikirana.




Tsy nofy intsony
ny hasambarako
ka injao mitony
'reo hasasarako.




Tsy nofy intsony
izy ity ka topazo
fa mihira ny fony
ary izaho mivazo.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1044 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0324