You are here: home > Vetso

TSY NY LASA INTSONY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





TSY NY LASA INTSONY





Tsy ny lasa intsony
no mbola eritreritra
fa ny hamafa irony
fosa nampandefitra.




Tsy ny lasa intsony
no tehirizina hatraty
fa nampahory fony
kamboty mafy ery !




Tsy ny lasa intsony
no averimberina eto
fa 'reo andro mitony
feno vazo ka raketo.




Tsy ny lasa intsony
no tiako hitarika ahy
fa anio efa mamony
iny raozy tia mitahy.




Fredy JAOFERA