TSY POROFOM-PITIAVANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY POROFOM-PITIAVANA





Tsy porofom-pitiavana,
na oviana na oviana
ny vava nataony,
fa mainka finiavana
hanome fijaliana
mba ho lalaony !




Tsy porofom-pitiavana
toa maharesy lahatra
ireo latsa sy fosa 
fa izay hahatongavana,
na saika tsy takatra
ho adalany kosa !




Tsy porofom-pitiavana
nitondra fiadanana
ny fanambaniany,
ka tsy nampihavana
na nananganana
an'ireo fitokiany.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1546 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115