TSY RENY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY RENY



Tsy naha-reny anao
'ty fanahy izay nisy
raha lasa na nandao
ny tena re, indrisy !




Tsy naha-reny anao
ny kibo noana mafy
raha tonga tao ho ao
ny kalo izay nanafy.




Tsy naha-reny anao
ny roaka alika adala
raha dia tahaka izao
ny sento tsy tafala.




Tsy naha-reny anao
ny loza izay nahazo
raha mitory sy injao
mamely ahy ny tazo.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1095 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116