You are here: home > Vetso

TSY SAHAZA - Fredy Jaofera


TSY SAHAZA





Tsy sahaza anao
fa tsy mitovy lenta
ianareo roa izao
'ty lasa ho talenta.




Tsy sahaza anao
ny kanto, na finarita
fa tsy tia lalao
no zavatra tsikaritra.




Tsy sahaza anao
ny ainga vita soratra
fa dia tao ho ao
tsy olona mba ohatra.




Tsy sahaza anao
ny valim-pisasarana
fa tsy mba natao
hahazo fitsaharana.




Fredy JAOFERA




Hametraka hevitra

Midira aloha