TSY SITRAN'NY TAONA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY SITRAN'NY TAONA





Tsy sitran'ny taona
ny jalin'ny lasa
ka mbola mitaona
sy mila hanasa.




Tsy sitran'ny taona
ny ferin'ny teny
ka toa te hisaona
rehefa ory eny.




Tsy sitran'ny taona
ny ratran'ny fo
ka nikasa nihaona
vao nisy nanjo.




Tsy sitran'ny taona
ny eson'ny tany
fa tsy nampivaona
ny lalako izany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
649 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0133