TSY TAHAKA IZANY ! (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY TAHAKA IZANY




Tsy tahaka izany ianao
fony trotraka ny saiko
fa teny foana toa nanao
‘zay hanimba ‘tony aiko.



Tsy tahaka izany ianao
fony resy ny fanahiko
fa tsy nety ny hilalao
na azo hoe narahiko.



Tsy tahaka izany ianao
fony rava ny hafaliako
fa nahakivy tsotr’izao
sy nirary ny hijaliako !



Tsy tahaka izany ianao
fony irery ny tantarako
fa be dia be ‘reo raorao
sy tsy nety namaharako.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
831 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 25/11/2013 20:15
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152