TSY TAO AN-TSAIKO INTSONY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY TAO AN-TSAIKO INTSONY





Tsy tao an-tsaiko intsony
ny hifanatri-tava indray
raha ambony dia ambony
ny fahatairana voaray.




Tsy tao an-tsaiko intsony
ny mbola hahita anao
ka avia moa re, amorony
ilay hasambaram-bao.




Tsy tao an-tsaiko intsony
ny hifampiresaka eto
ka anio dia mba mamony
raozy mena ka raketo.




Tsy tao an-tsaiko intsony
ny hiaraka hikorana
ka itony vetsovetso itony,
tiavo ary aza ialana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
264 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0167